Vatosoa Rakotondrazafy hitondra ny traikefany momba ny fandraharahana maitso any BlueInvest Africa

Vatosoa Rakotondrazafy
Hiatrika ny andiany fahefatra amin’ny BlueInvest Africa i Vatosoa Rakotondrazafy, amin’ny 2 sy 3 Novambra ho avy izao, any Cape Town, Afrika Atsimo. Voatendry ho mpandahateny amin’ny sehatra TedTalk izy, ka hizara ny traikefany amin’ny fampifandraisana ny fandraharahana sy ny fiarovana ny tontolo iainana, araka ny nambaran’ny Delegasionan’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara. Hampahafantariny amin’izany ny ConserFashion Manjabe4Nature, marika akanjo izay mikatsaka fomba famokarana manaja ny natiora. Araka ny loharanom-baovao, tsy ny famoronana asa ara-toekarena ihany no kendren’ity tetikasa ity, fa koa ny fanokafana fahafahana ho an’ny vehivavy sy ny fanohanana ireo olona miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Efa an-taonany maro no niasan’i Vatosoa niaraka tamin’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka. Tamin’ny 2019 izy no nahazo ny Whitley Award, noho ny asa nataony niaraka tamin’ireo mpanjono madinika eto Madagasikara. Nifandray tamin’ny tambajotra MIHARI ihany koa izy, izay manampy ny vondrom-piarahamonina hitantana ny faritra arovana an-dranomasina sy hiaro ny harena voajanahary ao aminy. Ireo traikefa ireo, araka ny tatitra, no mandrafitra ny fomba fijeriny momba ny fandraharahana ankehitriny. Ny Vaomiera Eoropeana no mikarakara ny BlueInvest Africa, izay hampivondrona mpandraharaha, mpampiasa vola ary mpanapa-kevitra avy aty Afrika sy Eoropa. Hifantoka amin’ny fahafahana mampandroso ny toekarena manga maharitra ny adihevitra, indrindra ny jono, ny harena voajanahary an-dranomasina ary ny fiarovana ny ranomasina. Ho an’i Vatosoa, sehatra iray hizarana ny ohatra malagasy sy hampahafantarana ny fomba ezahiny ampifandraisina ny fidiram-bola, ny fanohanana ara-tsosialy ary ny fiarovana ny natiora izany.
Sursa ↗